Ny fo izay mandray ny tenin‘Andriamanitra dia tsy mitovy amin‘ny kamory mihamaina, na hitovy amin‘ny fitoerandrano mitriatriatra izay mamela ny rano sarobidy ao anatiny hivoaka. Fa toy ny rano mikoriana avy eny antendrombohitra velomin‘ny loharano tsy mety ritra izany; ary ireo onjany mampangatsihatsiaka sy manjelanjelatra mitety vatolampy, dia manala hetaheta ireo mangetaheta sy ana ary mavesatra entana. Toy ny ony misononoka tsy miato, izay arakaraka ny androsoany dia mihalehibe sy mihalalina hatrany, mandra-panondrany ny tany amin‘ny ranony mahavelona. Ny lahin-drano kely miholikolika, sady miritsodritsoka, dia hamela avy aoriana ny fangatsihatsiahana sy ny fahavokarana. Maitso mavana tokoa ny ahitra eny amorony, mandrobona ny ravinkazo, ary maniry betsaka ny voninkazo. Rehefa manamaina sy mampiefakefaka ny tany ny masoandrobe lohataona, dia mariky ny fandalovan‘ny rano ny andalantsoritra maitso. FK 149.1
Ary toy izany koa amin‘ny tena zanak’Andriamanitra. Ny fivavahana tanan‘i Kristy dia miasa ho toy ny foto-kevitra mahavelona sady maninteraka ka zary tanjaka ara-panahy marina sady mahery izany. Rehefa misokatra amin‘ny hery miasa mangina ananan’Andriamanitra amin‘ny alalan‘ny fahamarinana sy ny fitiavana ny fo, dia mihamatanjaka io foto-kevitra io, tahaka ny renirano kely any an‘efitra, izay mampahavokatra ireo toerana mangetana sady mangina. - MM, t. 195. FK 149.2