Go to full page →

Teny Fiambenana Ho An’ny Kristianina FK 150

Teny fiambenana telo no miasa eo amin‘ny fiainana kristianina. Mila tandremana izy ireo raha tsy tiantsika hisongona antsika eo amin‘ny drafitra ataony i Satana; ireto avy izy ireo: Miambena, mivavaha, miasà. - TFC, b. 2, t. 283. FK 150.1

Ny fanahy rehetra izay efa nanaiky an‘i Kristy ampahibemaso, dia efa nanomana ny tenany araka izay tratrany ho mpiasa ara-panahy mavitrika sy mafana fo ary mahomby eo amin’fanompoana ny Tompo. Manantena ny olona rehetra hanao ny andraikiny i Kristy; aoka izany no ho teny fiambenana re manerana ny laharan‘ny mpanara-dia Azy. - TFC, b. 5, t. 460. FK 150.2