Go to full page →

Irahina Tsiroaraoa FK 180

Niantso ny roa ambin‘ny folo nanodidina Azy Jesosy ka naniraka azy handeha tsiroaroa hitety ny tanàna sy ny vohitra. Tsy nisy nalefany irery, fa ny rahalahy nampiarahany tamin’ ny rahalahy, ny mpinamana tamin‘ny namany. Tamin‘ izany no nahazoany nifanampy sy nifampahery, nifanoro hevitra sy nifampivavaka; ny iray mameno ny fahalemen‘ ny anankiray. Tamin‘ny fomba toy izany koa no nanirahany ny fitopolo lahy taty aoriana. Fikasan‘ny Mpamonjy ny hampiarahana toy izany ny mpitory ny filazantsara. Amin‘ izao androntsika izao dia hisy vokany be lavitra ny asa fitoriana ny filazantsara raha arahina akaiky kokoa io ohatra io. - IFM, t. 368. FK 180.2