Go to full page →

Asa Fitoriana Amin’ny Alalan’ny Fitsaboana FK 180

Avy amin‘ny toromarika nomen‘ny Tompo ahy imbetsaka dia fantatro fa tokony hisy mpiasa hanao asa fitoriana amin‘ny alalan‘ny fitsaboana any amin‘ireo tanàn-dehibe sy tanàna madinika. Ireo izay manao izany asa izany dia hanangona fanahy maro avy amin‘ny saranga rehetra ho vokatra. Ny fanomanana tsara indrindra hanomanana izany asa izany dia ny ezaka ataon‘ireo mpampiely boky mahatoky. - TFC, b. 9, t. 172. FK 180.3