Go to full page →

Famoriana Ho Ao Amin’ny Sekoly Sabata FK 183

Asa iray hafa azon‘ny rehetra irotsahana ny famoriana ankizy sy tanora ho ao amin‘ny Sekoly Sabata. Amin‘izany fomba izany ny tanora dia afaka miasa amim-pahombiazana ho an‘ilay Mpamonjy malala. Afaka mamonjy fanahy izy ireo. Afaka miasa ho an’fiangonana sy izao tontolo izao izy ireo, ka tsy ho fantatra mihitsy ny fitarana sy ny halehiben‘izany asa izany ambara-pahatongan’ilay andro hanadinana sy hanononana ny teny hoe «Tsara izany” ho an‘ireo nanao ny tsara sy nahatoky. - RH, 10 Jona 1880. FK 183.3