Ao amin’ny asantsika, ny fiezahana ataon’ny tena manokana dia hamita zavatra hihoatra noho izay azo vinavinaina. Ny fahabangan’izany no mahatonga ny fanahy ho very. Tsy manam-petra ny tombambidin’ny fanahy iray; i Kalvary no milaza ny sandany. Ny fanahy iray azo ho an’i Kristy dia ho lasa fitaovana amin’ny fahazoana ny hafa, ary dia hisy vokatra mitombo mandrakariva amin’ny fitahiana sy famonjena. - GW, t. 184. HAT 181.2