Go to full page →

Toko 68 — Sampan’Asa Maro HAT 193

Nalamina ho amin’ny asa fanompoana ny fiangonana, ary eo amin’ny fiainam-panompoana an’i Kristy, ny fifandraisana amin’ny fiangonana dia iray amin’ireo dingana voalohany. Mitaky ny fanatanterahana amim-pahatokiana ny adidin’ny fiangonana ny fahatokiana amin’i Kristy. Ampahany manan-danja eo amin’ny fanofanana ny olona anankiray izany; ary ny fiangonana iray izay vonton’ny fiainan’ny Tompo dia ho voatarika avy hatrany hanao ezaka ho an’ireo izay any ivelany. Misy sehatr’asa maro izay mety ho hitan’ny tanora hohararaotina ho amin’ny ezaka mahasoa. - Ed, tt. 268-269. HAT 193.1