Go to full page →

Ny Loharanon’ny Fahombiazantsika HAT 22

Ilaintsika ny hampiasa ny tanora izay hikolokolo ny zoto mahatoky ananany, ka tsy hatahotra ny hampiasa ny heriny. Hahazo toerana na aiza na aiza ny tanora toy izany, satria tsy hiovaova eny an-dalana, fa hanahaka an’Andriamanitra ao amin’ny sainy sy ao amin’ny fanahiny. Tokana ny fijeriny, mandroso eo aloha, any ambony, mangataka fandresena. Fa tsy mba antsoina ny kamo, ny saro-tahotra sy tsy mino, izay manakana ny asa tsy handroso amin’ny tsy fananany finoana sy fandavan-tena ho an’i Kristy (...) HAT 22.1

Mitady ireo izay hiara-miasa aminy Andriamanitra. Tonga madio sy marina ny maha-olona rehefa miray amin’i Kristy. Manome ny fahombiazana i Kristy ary lasa tafina amin’ny tsara ny olona. Toetr’Andriamanitra ny fahamarinana sy ny fahitsiana, ary manana hery tsy hay tohaina izay manana ireo toetra ireo Izy. — RH, 10 Mar. 1903. HAT 22.2