Asehon’ny fahamarinana eny ivelany ny fahamarinana ao anaty. Tsy mba mafy fo na tsy maha-te ho tia ireo izay marina ao anaty, fa mitombo amin’ny fitoviana amin’i Kristy isan’andro izy, mitombo amin’ny hery. Izay hamasinin’ny fahamarinana dia mahonon-tena ary mizotra amin’ny dian-tongotr’i Kristy mandra-pihaonan’ny fahasoavana amin’ny voninahitra. Isaina ny fahamarinana izay anamarinana antsika, zaraina kosa izay anamasinana antsika. Zo hidirantsika ny lanitra ny voalohany; ny faharoa kosa no alalana hitoerantsika any. -RH, 4 Jona 1895. HAT 22.3