Ny ankamaroany amin’ireo mpianatra dia manontona ny fahaiza-manaony ao amin’ny fianarana ka miezaka hanatratra ny tanjona nokendreny amin’izany. Ampiasainy mafy ny sainy, fa latsa-danja kosa ny herim-batana ampiasainy. Tafahoatra loatra ny asa sainy ka tonga malemy ny hozatra hafa ao amin’ny vatany. Rehefa tojo amin’ny faran’ny fianarany izy ireo, dia hanana ny fahalalana fa saingy fahalalana ihany. Nianatra andro aman’alina, aman-taona izy ireo hampitombo ny lohany fa ny vatany kosa fonentana (...) HAT 211.1
Mirotsaka avy hatrany ao amin’ny fianarana ny tanora zazavavy mazana ka voatsinitsiny ireo sampam-panabeazana hafa fa variana miondrika ao amin’ny boky. Noho izany aorian’ny fianarany dia tsy hanan-kery eo amin’ny fiainana izy ireny. Nataony tsinontsinona ny fahasalamany, mihidy ao an-trano mandrakariva izy ireny, tsy mahita rivotra madio sy tana-masoandro nomen’Andriamanitra. Ny tovovavy toy ireny dia tokony ho salama tsara mivoaka ny sekoly raha sady nanao ny fianarany tao an-dakilasy na ao an-trano no nanao fanatanjahan-tena eny amin’ny rivotra madio eny an-kalamanjana. HAT 211.2
Harena ny fahasalamana. Io no zava-dehibe azon’ny voary mety maty rehetra ananana. Ny harena sy ny voninahitra ary ny fahaizana dia samy zava-poana avokoa raha toa ka osa ny fahasalamana. Tsy misy ahazoana fahasambarana ireo rehefa tsy eo ny fahasalamana. - Counsels to Teachers, Parents and Student, tt. 285,286. HAT 211.3