Go to full page →

Toko 76 — Ny Famantarana ny Olona Ambony HAT 211

Nandritra ireo telo taona namaboana ny Jiosy, dia nohazonin’i Daniela sy ny namany ny fifehezan-tena, ny fianteherany tamin’Andriamanitra sy ny fahatokiany Azy. Tonga àry ny fotoana hanadinana azy ireo, niaraka tamin’ny olon-kafa ho amin’ny fanompoam-panjakana. Fa “tsy nisy hita izay tahaka an’i Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria tamin’izy rehetra ” -Dan. 1:19. Ny faharisihana, ny safidiny sy ny fahamarinan’ny teniny, ny fivelatry ny fahalalany, dia nanadinana azy ireo tao amin’ny hatanorany sy ny hakingan’ny sainy. Nitoetra teo anilan’ny mpanjaka izy ireo. “Ary ny amin’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra izay nanontanian’ny mpanjaka azy, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny ombiasy rehetra sy ny mpisikidy teo amin'ny fanjakany aza izy. ” - Dan. 1:20. HAT 211.4

Mandala fahamarinana Andriamanitra. Ny ankamaroan’ireo tanora namiratra avy tamin’ny taniny rehetra dia niangona tao Babilôna, anisan’izany ireo Hebreo babo izay tsy nanana mpifaninana taminy akory. Ny fahitsiany, ny tsanganany, ny famindrany malefaka, ny bikany, ny faharanitan-tsainy ary ny endrika maha-andriana azy ireo dia samy nanamarika ny fankatoavany ny lalàna avokoa. HAT 212.1