Ny vavaka no ain’ny fanahy. Io no tsiambaratelon’ny herin’ny finoana. Tsy misy ahazoana famonjena na feno ny fahatanterahana aza ny fanahy. Ny vavaka dia mampiray ny fanahy amin’Ilay Loharanon’ny fiainana; mampahery ny retsika sy ny hozatry ny fanantenan’ny finoana. Izay manao tsinontsinona ny vavaka na manao an-tsirambina ny azy dia manapaka ny fifandraisany amin’Andriamanitra. Mihena ny herin’ny vavahadin-tsain’ny finoana, ary malemy ny hery sy ny tanjaky ny fanandramam-pinoana. HAT 217.3
Ny hamenoan'Andriamanitra ny tsy fahatanterahana misy eo amin’ny olombelona no zava-tsoan’ny vavaka. Inona no zava-tsoa mihoatra noho izany, dia ny fifandraisana amin’ny Andriamanitry ny rehetra? Olona malemy, mpanota no afaka miresaka amin’ny Mpamorona azy. Satrintsika aza hiresaka amin’Ilay Mpanjakan’ny tontolo tsy hita fetra. Afaka miresaka amin’i Kristy eny an-dalana izorantsika isika, ary miteny Izy hoe: “Eto ankavananao Aho.” HAT 218.1