Afaka mifandray amin’Andriamanitra amin’ny fo isika, afaka miara-mandeha Aminy koa. Mandritra ny asantsika dia afaka milaza Aminy ny fihetseham-pontsika isika kanefa tsy ren’ny sofin’iza na iza. Tsy misy mahafantatra ny fihetseham-po. Afaka misandratra any ambonin’ny tabataban’ny lalambe sy ny firohondrohon’ny milina ny vavaka atao. Amin’Andriamanitra no iresahana ny vavaka ataontsika. HAT 218.2
Mangataha àry, mangataha dia hahazo ianareo, mangataha amim-panetren-tena, amim-pahendrena, amim-paherezana sy amim-pinoana lehibe, fa hovaliana ny vavaka atao amin’ny fo rehetra. Mety tsy hifanandrify amin’ny eritreritrao na amin’ny fotoana ilanao azy; fa ho avy izany amin’ny toe-javatra mahamety azy sy amin’ny fotoana mahatsara azy. Ny vavaka atolotrao irery ao amin’ny fahatrotrahana ombam-pikatsahana dia hovalian’ Andriamanitra amin’izay mahatsara anao. GW, tt. 254-258. HAT 218.3