Tombontsoa lehibe ny manatanteraka vavaka na miaraka amin’ny besinimaro na vavaka irery amin’ny fandohalehana. I Jesôsy dia nanome ohatra: ” dia nandohalika ka nivavaka, ” hoy i Lioka. Ny mpianany koa dia torak’izany. I Paoly dia nanambara: “Izany no andohalehako amin'ny Ray” Tamin’ny fifonana ny fahotan’ny Isiraely dia nandohalika koa i Ezra, toy izany koa i Daniela: “intelo isan-andro no nandohalika ka nivavaka (...) ” HAT 219.1
Vokatry ny fahatsapana ny fahalehibiazany sy ny fanatrehany ny fanajantsika an’Andriamanitra. Tokony ho tsapan’ny tsirairay ao am-po ny fanatrehany tsy hita maso. Ny fotoana sy ny toerana ivavahana dia samy masina avokoa satria manatrika eo Andriamanitra ary misy akony eo amin’ny halalin’ny fihetseham-po ny fanajana taratry ny fahazavany. “Masina sy mahatahotra ny anarany”, hoy ny mpanao Salamo. Ny anjely rehetra rehefa manonona io anarana io dia saronany amin’ny ny elany ny tarehiny. Hatraiza kosa ny fanajantsika, isika izay mpanota, tsy tokony hanonona io anarana io akory aza ! HAT 219.2
Tsara ny handinihan’ny tanora sy ny olon-dehibe ny Soratra Masina, ahitana ny lanjan’ny toerana lantsoan’Andriamanitra. “Esory ny kapanao amin'ny tongotrao, ” no nolazaina tamin’i Mosesy raha nanakaiky ilay roimemy mirehitra izy, “fa tany masina io ijanonanao io”. I Jakôba koa rehefa avy nahita ilay fahitana ny amin’ny anjely dia nilaza: “Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah fa izaho no tsy nahalala (...) tsy hafa ity fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra». -GW, tt. 178-179. HAT 219.3