Go to full page →

Malala-Tsaina HAT 227

Aoka hoesorina ny hevitry ny tena rehefa mandinika ny Baiboly. Tsy hahita ny tena fahamarinana velively amin’ny fitompoanao amin’ny hevitrao ianao. Ario eo am-baravarana izany ka henoy amin’ny bitsiky ny Fanahy Andriamanitra miteny aminao. Manome fahalalana ho an’ny mpikaroka manetry tena sy mipetraka eo an-tongotr’i Kristy mba handray ny fahamarinana ny Tenin’Andriamanitra. Hoy i Kristy amin’izay manao izany amin’ny fahendreny: raha te ho hendry ianareo dia aoka ho malemy fanahy sy hanana fo mietry. HAT 227.1

Aoka tsy handray ny teny amin’ny fihetseham-ponao taloha, tsy hanao petra-kevitra fa halalino amin’ny fitandremana sy amin’ny vavaka izany. Raha eo am-pamakiana no misy faharesen-dahatra izay tsy mirindra amin’ny Baiboly, dia aoka tsy hanao izay hanohanan’ny Tenin’Andriamanitra ny hevitrao akory ianao. Aoka ny hevitrao no hanohana ny teny. Aza manaiky hotarihin’ny eritreritrao sy ny fahazaranao. Jereo ny fahatsaran’ny lalàna ka fantaro izay voasoratra ary ampitoero eo amin’ny vatolampy ny tongotrao. HAT 227.2