Go to full page →

Fahalalana ny Sitrapon’Andriamanitra HAT 227

Miankina amin’ny fahalalantsika ny sitrapon’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Teniny ny famonjena antsika. Aoka tsy hiato amin’ny fangatahana sy amin’ny fitadiavana ny fahamarinana. Ilainao ny mahafantatra fa mila famonjena ianao. Amin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany no ahafantaranao ny sitrapony. Tsy maintsy miasa sy voasedra ny finoanao. Diniho ny teny ary fantaro fa misy Andriamanitra ary Izy no hamaly izay mazoto mitady Azy. HAT 227.3

Tadiavo amin’ny fo noana sy mangorakoraka ny sakafom-panahy avy amin’ny Baiboly! Halalino ny teny, toy ny mpitrandraka mitady ny lalam-batom bolamena. Aza mijanona mihitsy raha tsy efa fantatrao ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny faniriany aminao. — YI, 24 Jol. 1902 HAT 227.4