Go to full page →

Toko 84 — Tambin’ny Fianarana Voatariky ny Baiboly HAT 228

Izay mitady ny fahamarinana amin’ny fony dia hahazo valisoa mandrakariva, ka isaky ny misy zava-baovao dia hahita fandalinana vaovao izy. Misy fanofanana eo amin’ny tena vokatry ny hery miasa mangina avy amin’ny fandinihana ny Tenin’Andriamanitra. Raha mifona amin’ny zavatra maivan-danja kosa anefa ny saina, ka tsy manao ny fahamarinana ho laharam-pahamehany, dia hisavoamboana koa izy. Tsy hahazo ireo fitahiana safononoka avy any an-danitra ireo kamo ka mionona amin’ny fahalalana ivelambelany fotsiny ihany. Lalàna mifehy ny saina izany, mitombo na mihena izy arakaraka ny zavatra sahaniny. HAT 228.3

Tsy mitsahatra ny hampihena ny fahafahany mandray fahalalana ireo vavahadin-tsaina raha toa ka tsy misy fiezahana hanao fikarohana ny fahamarinana. Hivelatra kosa izy raha mandray tsara ny fifandraisan’ny lohahevitra maro samihafa amin’ny fahamarinan’ny Baiboly, ary mampitaha ny teniny amin’ireo andininy hafa, mampifanaraka amin’ireo zava-panahy. Aza mijanona eny ivelany fotsiny, haren-tsaina no miandry izay havanana sy manaiky hotarihina amin’ny fandalinana ny Baiboly. - RH, 17 Jol. 1888 HAT 229.1