Go to full page →

Fianarana Ombam-Panajana ny Baiboly HAT 228

Tokony hianatra amim-panajana ny Baiboly sy amin’ny faha-tsapana ny fanatrehan’Andriamanitra isika. Aoka hampanalavirina ny faninitsiniana sy ny fanivaivana amin’ny endriny rehetra. Misy amin’ireo teny no mora azo fa misy koa ireo sasany sarotra raisina. Mila fianarana amin’ny faharetana sy fifantohana arahim-bavaka izany. Tokony hangataka ny fanatrehan’ny Fanahy Masina ny tsirairay amin’ny fandinihana ny Soratra Masina izay efa nampanantenaina fa homena. HAT 228.1

Ny Fanahy izay miara-mianatra aminao ny Soratra Masina no hilaza ny toetr’izay eo akaikinao. Ny anjelin’ny mazava no ho eo anilan’izay mitady an’Andriamanitra amin’ny faharetana. Ho eo anilanao sy hahajamba anao i Satana ka tsy hahita ny fahamarinana tsotra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao raha mianatra ny teny amin’ny faniratsirana sy amin’ny fitadiavana ny mahafinaritra ary fo feno fahatokian-tena fotsiny ihany. - TM, tt. 107, 108 HAT 228.2