Go to full page →

Toko 85 — Ny Baiboly, Mpampianatra HAT 229

Tsy misy afaka ny hifaninana amin’ny Baiboly eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Mirakitra ny tantara lehibe sy ela indrindra noho izay ananantsika izy. Avy ao amin’ny Loharanon’ny Fahamarinana, Ilay Tanana Lehibe no mitahiry ny fahitsian-taona maro nifandimby. Manazava ny lasa izy, izay tsy hitan’ny fikarohan’olombelona. Ny teny ihany no milaza amintsika Ilay hery namorona ny tany ary nanenika ny lanitra. Ao aminy irery ihany no ahitantsika ny niavian’ny olombelona sy ny firenena rehetra. Ao irery ihany koa no ahitana ny fitantarana ny fanandratan-tenan’ny olombelona sy ny fitsaratsarany. HAT 229.3