Go to full page →

Fiantraikan’ny Vaky Boky Tsy Madio HAT 236

Fantatr’i Satana tsara fa misy fiantraikany eo amin’ny atidoha izay rehetra afahana azy. Asesiny amin’ny vaky boky mirakitra anganongano sy tantara noforomporonina ny tanora, eny, fa na dia ny lehibe koa aza. Vokany: tsy afaka hanao ny asa ilàna azy avy hatrany izy. Ireo manana fahazarana miaina amin’ny tontolon’ny nofinofy dia halain-komana amin’ny fihinanana ny mana avy any an-danitra. Lasa malemy sy kanosa ny saina izay nila fanohanana fatratra hany ka tsy afaka hianatra ireo fahamarinan-dehibe mahakasika ny iraka sy ny asan’i Kristy, dia ireo fahamarinana tokony hanohana ny fisainana sy handresy ny nofinofy ary handrehitra faniriana tsy hay tohaina toy izay nandresen’i Kristy. HAT 236.1