Go to full page →

Toko 88 — Safidy Vaky Boky HAT 235

Manana tanjona amin’ny fanomanana ny vatana sy ny saina ary ny fanahy hiatrika ny adidin’ny fiainana ny fanabeazana. Mitombo na mihena arakaraka ny asa atao ny herin’ny faharetana sy ny asan’ny atidoha. Tsy maintsy voafehin’ny fitsipika ny saina mba hampivelatra sy hampitombo ny fahaiza-manaony. HAT 235.2

Maro ny zatovo no mangetaheta vaky boky, ka vakiny avokoa izay rehetra mandalo eo imasony. Aoka hitandrina izy amin’izay vakiny sy izay henoiny. Naseho ahy fa mananton-tena amin’ny loza izy ireo amin’ny vaky boky ratsy izay mamindra toetra ratsy aminy. An’arivony ny fandrika velarin’i Satana handringanana ny tanora. Mahafaty ny tsy fitandremana kely foana. Mila mpitily ny sain’izy ireny mba tsy ho saron’ny fakam-panahy. HAT 235.3