Go to full page →

Fantson’ny Fahasoavan’Andriamanitra HAT 27

Tombontsoa ho an’ny fanahy tsirairay ny ho tonga fantsona izay ahafahan’Andriamanitra mizara amin’izao tontolo izao ny haren’ny fahasoavany, ireo haren’i Kristy nafenina. Tsy misy fanirian’i Kristy mihoatra noho ny ho masoivohony eto amin’izao tontolo izao haneho ny Fanahiny sy ny toetrany. Tsy misy ilain’izao tontolo izao toy ny fanehoana ao amin’ny maha-olombelona ny firiavan’ny Mpamonjy. Miandry fantsona izay hahafahany mandraraka diloilo masina ho tonga fifaliana sy fitahiana ho an’ny fanahin’ny olona ny lanitra manontolo. — COL, t. 419. HAT 27.2