Go to full page →

Idealy Ambony Hotratrarina HAT 27

Ambony lavitra noho izay ambony indrindra takatry ny sain’olombelona ny idealin’Andriamanitra ho an'ny zanany. Ny toetr’ Andriamanitra -fitoviana amin’Andriamanitra -no tanjona hotratrarina. Lalana ho amin’ny fandrosoana mitohy no misokatra eo anoloan’ny mpianatra. Manana taranja hotanterahina izy, faritra iray hotratrarina, izay mahafaoka izay tsara sy madio ary manan-kaja. Handroso faran’izay haingana ary amin’izay farany azo aleha amin’ny sampan’ny fahalalana marina rehetra izy. Nefa hitodika amin’ny tanjona ambony lavitra noho izay tombontsoa feno fitiavan-tena sy tsy maharitra ny ezaka rehetra hataony, dia toy ny haavon’ny lanitra amin’ny tany. — Ed, tt. 18,19. HAT 27.1