Ny sain’ny olona izay nizatra tamin’ny famakiana ireny tantara mampihetsi-po ireny dia lasa mifangaro sy mikorontana ary tsy mahita fahatoniana mihitsy raha tsy mihinana sakafon-tsaina tsy misy lanjany sy tsy mahasalama. Nahita zazavavy maromaro aho niasa ho an’i Kristy izay nino sy nilaza marina fa ory raha toa ka tsy mahavaky ireny angano sy tantara tsy mahasoa ireny. Mamo toy ny vatana zatra zava-pisotro misy alikaola ny tsilon-tsaina nozarina tamin’ny famakiana ireny tantara manaitaitra sy tsy mahasoa ireny. Tsy manana ny fivavahana velona ireny tanora ireny; tsy mandefa ny tara-pahazavany eo amin’ny lalan’ny namany izy ireo izay mba tokony hitarika azy ireo ho eo amin’ilay Loharanom-pahalalana rehetra. Tsy mba mahatsapa ny fivavahana matotra izy ireo. Raha mba tsy teny mantsy ireny haisoratra tsy madio ireny, dia nety mba ho nisy fiovana ihany teo aminy, kanefa manana filàna ambony indrindra amin’izany angano izany izy ireo, filàna izay mitaky fahafaham-po mandrakariva. HAT 244.4
Tena miahiahy mihitsy aho mahita ireny tanora zazalahy sy zazavavy ireny tsy manao ny asany eto an-tany ary mahafoy ny tombontsoa hanao ny fanandraman’ny lanitra. Tsy hita izay anarana azo omena azy ireo afa-tsy ny hoe «mamon’ny fahalalana.» HAT 245.1
Ny tsy fahononan-tena ao amin’ny famakiana ireny angano ireny dia mitondra hery miasa mangina eo amin’ny saina izay ratsy toy ny tsy fahalalana onony amin’ny fihinanana sy fisotroana. HAT 245.2