Go to full page →

Ny Fanafodiny HAT 245

Ny fomba tsara indrindra hahafahana miala amin’izany ratsy izany dia ny fiezahana mandeha mialoha hahafahana mamantatra sy mifehy ny toerana. Tsy maintsy kolokoloina amim-pitandremana sy fikarakarana fatratra ny saina ary amafazana ny voan’ny fahamarinana ara-Baiboly. Amim-pamindrampo tsy manam-pahataperana dia mampiseho amintsika ao amin’ny Soratra Masina ny tena fahamasinana Andriamanitra (...) HAT 245.3

Atorony amin’izany ny ota tokony hialàna; manazava amintsika ny planin’ny famonjena Izy ary manoro antsika ny lalan’ny lanitra. Manosika ny olona masina izy mba hilaza amintsika ny loza misy manodidina izany lalana izany ary koa mampahafantatra antsika ny fomba hialana amin’izany. Ireo izay mandinika ny Soratra Masina sy mampifanaraka ny fiainany araka izay voambara dia tsy ho tavela ao amin’ny tsy fahalalana. Amin’ny androm-pahoriana amin’ny andro farany, ny tsirairay amin’ireo mambran’ny Fiangonan’Andriamanitra dia tokony hahafantatra ny fototry ny fanantenany sy ny finoany izay tsy saro-pantarina akory. Hahita foto-kevitra maro amin’ny fibanjinana isika, raha te hitombo ao amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i Kristy. -Christian Temprance and Bible Hygien, tt 123-126 (1890.) HAT 245.4