Go to full page →

Sorona Hovaliana Soa HAT 263

Fa ny fananana nampiasainao hitahiana ny hafa dia hitondra tamberiny aminao. Ny harena nampiasaina araka ny rariny dia hahavita soa betsaka. Hisy fanahy ho azon’i Kristy. Izay manaraka ny drafitra nomen’i Kristy eo amin’ny fiainana dia hahita any amin’ny lapan’ny lanitra ireo izay niasany sy nanaovany fahafoizan-tena teto an-tany. Ho feno fankasitrahana ireo voavotra raha mahatsiaro ireo izay nataon’Andriamanitra ho fiasana teo amin’ny famonjena azy. Ho sarobidy ho an’ireo izay mahatoky teo amin’ny asa famonjena fanahy ny lanitra. - Henoinareo Ny Fanoharana, t. 388 HAT 263.2