Go to full page →

Zo Amin’ny Fananan’Andriamanitra HAT 266

Nohamasinin’Andriamanitra ny ampahafolony avy amin’ny tombom barotra na avy amin’ny tany na avy amin’ny fijinjam-bary na avy amin’ny biby fiompy na avy amin’ny vokatry ny asan’ny tanany na ny saina; nohamasininy koa ny ampahafalony faharoa ho an’ny mahantra na ho an’ny asa tsara. Izany rehetra izany dia manery ny olona hitadidy hatrany fa Andriamanitra no Tompon’ny zava-drehetra ary ny olona dia fantsona ikorianan’ny fitahian’Andriamanitra ho amin’ny tany. Izany fampianarana izany no natokana hamono ny fitiavan-tena sy ho fampiasana ary ho fampitomboana amin’ny fomba malalaka sy amim-pahendrena ny fahafahan’ny toetra. -Ed, t. 44. HAT 266.1