Go to full page →

Toko 8 — Mananika ny Havoana HAT 31

Eo am-pamolavolana toetra kristianina tanteraka, dia ilaina ny fitozoana amin’ny fanaovana ny tsara. Tiako ny hanantitra amin’ny tanorantsika ny maha-zava-dehibe ny faharetana sy ny fikirizana amin’ny asa famolavolana toetra. Hatrany amin’ny taonan’ny fahazazana dia tsara ny mandrary ao amin’ny toetra ny foto-kevitry ny fahitsiana, mba hahatraran’ny tanora ny fetra ambony amin’ny maha-olona. Tokony hohazoniny mandrakariva eo anoloan’ny masony ny fahalalana fa olom-boavidy izy ireo ka tokony hankalaza an’Andriamanitra amin’ny tenany sy ny fanahiny, izay Azy (...) HAT 31.2