Go to full page →

Toko 110 — Tokantrano, Sekoly HAT 287

Ny fanoloran-tenan’ny tanora hanao ny asan’Andriamanitra dia tsy mahatonga ny fahalemen’ny saina na hahatonga azy ho voafetra. Ny fahatahorana an’i Jehôvah no voaloham-pahendrena. Na dia ny zaza bitika indrindra aza, rehefa matahotra an’i Jehôvah, dia ho lehibe indrindra eo imason’Andriamanitra sy eo anatrehan’ny olona mahery sy manam-pahalalana kanefa manao tsinontsinona ny famonjena azy. Rehefa manolotra ny fony ho an’Andriamanitra ny tanora dia hanokatra kosa lalana ho azy hitoeran’ny fahendrena sy ny fahatsarana rehetra. HAT 287.1