Go to full page →

Asa Andavanandro HAT 287

Manomana ireo zaza hiandraikitra asa ambony sy tsara indrindra ny fanaovany ny tokan tranony dieny izao ho sekoly avo lenta hianarany manatanteraka ny andraikiny mbola tsotra dia tsotra amim-pahatokiana amin’izao fahazazany izao. Ny fanaovana izany asa madinika izany ho toy ny an’ny Tompo dia hitarika fifaliana ka hahatonga fifandraisana ety eo amin’ny tany sy ny lanitra miaraka amin’ny fanoavan’ireo olo-masina ny sitrapon’Andriamanitra any an-danitra. HAT 287.2

Toy ireo anjely manao ny andraikiny any an-danitra dia toy izany koa isika, tokony hanatanteraka amim-pahatokiana tanteraka ny adidy aman’andraikitra napetraka tamintsika isika. Ireo mahatsapa ho mpanompon’Andriamanitra na aiza na aiza toerana misy azy dia tokony ho mahatoky indrindra izy ireo. Izay mahatoky etỳ ambonin’ny tany dia hahatoky ihany koa amin’ny lanitra. Ireo izay mahatsapa ny andraikiny amin’Andriamanitra dia mahafantatra tsara ny adidy miandry azy ireo amin’ireo manodidina azy. HAT 287.3