Go to full page →

Toko 10 — Satana, Fahavalo Mahery HAT 35

Tena babon’i Satana ara-dalana ny olombelona lavo. Ny asa nataon’i Jesôsy dia ny hamonjy azy eo am-pelatanany. Mirona hanaraka ny fitarihan’i Satana ny olona, ary raha amin’ny heriny dia tsy afaka ny hanohitra fahavalo masiaka tahaka izany izy, raha tsy i Kristy, ilay mpanafika mahery no mitoetra ao anatiny, manitsy ny filany, ary manome azy hery. Andriamanitra irery ihany no afaka hamefy ny herin’i Satana. Mitety ny tany izy, miakatra sy midina, miambina mandrakariva, matahotra ny ho variana ka hisy fanahy ho votsotra amin’ny fanimbany. Zava-dehibe ny hahafantaran’ny vahoakan’Andriamanitra izany mba hialana amin’ny haratony. HAT 35.2