Go to full page →

Fizarana Faharoa - Ady Amin’ny Fahotana HAT 35

Ny ohatra niainan’i Kristy dia maneho amintsika fa ny hany fanantenana hahazoana fandresena ho antsika dia ny fanoherana tsy tapaka ny fanafihana ataon’i Satana. Ilay nandresy ny fahavalon’ny fanahy no mahafantatra ny herin’i Satana eo amin’ny taranak’olombelona ary dia nandresy azy ho antsika. Amin’ny maha-mpandresy Azy, dia nomeny antsika ny tombontsoan’ny fandresena azony, mba hampiraisantsika ny fahalementsika amin’ny heriny, ny tsy fahamendrehantsika amin’ny fahatanterahany, ao amin’ny ezaka ataontsika hifahatra amin’ny fanangolen’i Satana. Hotohanan’ny heriny isika manoloana ny herin’ny fakam-panahy, ary dia hahafahatra amin’ny anarany tsitoha, handresy tahaka ny nandreseny. ST, 4 Mar. 1880. HAT 35.1