Go to full page →

Fialam-Boly Mahasoa HAT 332

Tsy afaka hanome tsiny ireo tanora, na ny efa zokinjokiny, eny, fa na ny ankizy koa aza ankoatra ny olon-dehibe efa misaina tsara. Ireo ray aman-dreny sy mpampianatra dia tokony hanolotra fialam-boly madio mba tsy hanameloka ny tanora amin’ireo fialam-boly mamoafady. Aoka tsy hanao didy jadona amin’ny tanora amin’ny fangejana mafy isika fa hanameloka ny tenany sy hampitanondrika azy izany ka hampivily azy amin’ny lalana mivarina any an-kady. Amim-pahamatorana sy malefaka ary malina no aoka hitarihana azy ireo amin’ny fanolokoloana ny sainy amim-pahendrena sy ny fitiavana izay hitany araka ny fanirianao. — Counsels to Teacher, Parents and Students, t. 335. HAT 332.3