Ny toerana tokony hisy ny marina sy ny valisoany mandrakizay: izany no tokony ho lohahevitra ambony sy manandratra tokony hodinihin’ny tanora. Aoka handalina ny amin’ny drafitry ny famonjena, tamin’ny fanati-panavotana nataon’ny Mpanjakan’ny voninahitra ka nahatonga anao ho mpiray lova miaraka Aminy eo amin’ny seza fiandrianany noho ny fahasoavany. Zava-dehibe tokoa izany lohahevitra izany ary mendrika indrindra ny hoeritreretin’ny saina. Fahasoavana lehibe avy amin’Andriamanitra, tombontsoa sesehena manao ahoana re izany e! (...) HAT 334.1
Ry namako malala, fialam-boly toy izany no tena tokony hahasambatra anareo. Kanefa ny antony tokana mahatonga anao tsy hahita izany fahasambarana izany, dia satria ianao tsy manatona eo amin’Ilay Loharanon’ny fahasambarana, dia Kristy irery ihany, Ilay hany lalana tokana ahitana izany. Vavaka! Tsiambaratelo lehibe nefa matetika atao vinany. Ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra ihany koa no manomana ny saina amin’ny vavaka. Iray amin’ireo antony mahatonga anao tsy hitoetra eo amin’Andriamanitra mantsy, ary mahatonga anao tsy hanao izany adidy masina izany ny vokatry ny famohazanao ao anatinao ireo fahafinaretana tsy masina rehetra. Hany ka tsy mba mahita tsirony amin’izany fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy manadino ny oran’ny vavaka izany ianao. Ny vavaka mantsy no aina mampahatanjaka ny fiainan’ny Kristianina. Amin’ny fotoana maha irery anao iny indrindra no hahatsapanao ny fanatrehan’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao ary handrenesanao miteny aminao manao hoe: «Indro eo aminareo mandrakariva Aho”. HAT 334.2
Ny tsy ananan’ny tanora, kanefa tena ilainy indrindra, dia ny finoana. Tsy misy na inona na inona mahasolo toerana izany. Raha ny asa dia tsy mahavita na inona na inona. Tsy mahavita na inona na inona eo amin’ny fiainanao raha finoana anarany fotsiny no anananao. Azo soratana ao amin’ny bokin’ny fiangonana izany fa rehefa vakina ao amin’ny bokin’ny fiainana, kosa dia tsy mba hita izany anarany izany, heloka ho azy izany. Hitako tamin’ny fahitana fa iray amin’ny tanora roapolo no mahafantatra ny tena fanandraman’ny finoana. Mitady lalana moramora mihoatra noho ny fanoloran-tena sy ny fikatsahana ny fahamarinana izany. Tsy heveriny ho manan-danja manokana ny fangatahana ny famindrampo sy famelan-keloka omen’i Kristy mba hahatohitra ireo fakam-panahy alefan’i Satana. Heveriny ho afaka handeha irery tsy misy izany rehetra izany izy. I Kristy Ilay Mpanjakan’ny voninahitra dia nandeha irery tany an’efitra mba hivavaka amin’ny Ray; kanefa ny olombelona mpanota tsy manan-kery hiadiana amin’ny fakam-panahy no mihevitra ho mahavita tena tsy mila manao izany. — TFC, b.1, tt. 503—505. HAT 335.1