Nanameloka ny fampanaranam-po ny tena amin’ny endriny rehetra i Jesôsy, toetrany anefa ny mahay miara-monina amin’ny hafa. Nanaiky ny hiantrano tany amin’ny sarangan’olona rehetra Izy, nitsidika ny tokantranon’ny manan-karena sy ny mahantra, ny avara-pianarana sy ny tsy nahita fianarana, ka nokatsahiny ny hanondrotra ny fihevitr’izy ireny hiala amin’ny toe-javatra mikasika ny fiainana andavanandro, hisandratra amin’izay ara-panahy sy mandrakizay. Tsy nanome lalana kely akory ny fandaniam-poana Izy, ka tsy nisy aloky ny toetra maivamaivana nandoto ny fitondran-tenany; nahita fifaliana teo amin’ny fisehoan’ny fahasambarana tsy manan-tsiny anefa Izy, ka nanamasina ny fivoriana teo amin’ny fiaraha-monina tamin’ny fanatrehany izany. — IFM, tt. 145. HAT 335.2