Ny hanongana an’Andriamanitra avy ao amin’ny fon’olombelona no asan’i Satana, ary ny mamolavola ny toetra hifanaraka amin’ny endriky ny faharatsiany. Tairiny avokoa ireo fironana ratsy, fohaziny ireo hambo sy firehetam-po tsy masina. Hoy ny ambarany: «Homeko anao ireo hery, voninahitra, harena ary fahafinaretan’ny fahotana rehetra; izao ny fepetra, dia ny hampandefitra ny fahitsiana, sy ny hampangina ny feon’ny fieritreretana.” Izany no fomba animbany ny herin’ny olona ary itaomany azy ho andevon’ny ota. HAT 38.3
Miantso ny olona hanohitra ny herin’ny ratsy Andriamanitra. Hoy Izy: “Koa aza avela ny ota no hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an'Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra.” HAT 39.1
Ady ny fiainana kristianina. Fa «isika tsy mitolona amin’ny nofo aman-dra, fa amin’ny fanapahana sy amin’ny fanjakana sy amin’ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao, dia amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra.» Ny fanampian’Andriamanitra irery ihany no hahombiazantsika amin’izany ady ifanandrinan’ny fahamarinana sy ny tsy fahamarinana izany. Tsy maintsy ampileferina ambany sitrapon’ilay Mandrakizay ny sitrapontsika misy fetra; mila miharo amin’ny an’Andriamanitra ny sitrapon’olombelona. Izany no hahafahan’ny Fanahy Masina hanampy antsika; ary ny fandresena tsirairay dia hamerina ireo fananan’Andriamanitra izay novidiny, hamerina ny endriny ao amin’ny olona. HAT 39.2