Go to full page →

Fanampian’ny Fanahy Masina HAT 39

Niasa tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny Tompo Jesôsy; fa Izy no solontenany. Amin’ny alalany no ampidirany fiainam-panahy ao amin’ny olona, mamoha ny heriny ho amin’ny tsara, manadio ny saina amin’ny fahalotoana, ary manomana azy hiditra ny fanjakany. Manana fitahiana sy harena betsaka hozaraina amin’ny olona i Jesôsy. Izy no Ilay Mpanolo-tsaina mahagaga, manana fahendrena sy hery tsy misy fetra; koa raha manaiky ny herin’ny Fanahiny isika, manetry tena hovolavolainy, dia ho tanteraka ao Aminy. Akory ny hasoan’izany fanambarana izany! «Ao amin'ny tenan'i Kristy no itoeran'ny fahafenoan'ny fomban'Andriamanitra rehetra ary hianareo dia tanteraka ao aminy.” HAT 39.3

Tsy hahalala fahasambarana mihitsy ny fon’ny olona raha tsy milefitra hovolavolain’ny Fanahin’Andriamanitra. Ampitovian’ny Fanahy amin’ny môdely, dia i Jesôsy Kristy, ilay fanahy nohavaozina. Ny hery miasa mangina avy amin’ny Fanahy no manova ny fandrafiana an’Andriamanitra ho finoana sy fitiavana, ny avona miova ho fanetren-tena. Mahita ny hatsaran-tarehin’ny fahamarinana ny fanahy, ary omem-boninahitra amin’ny toetra tsara sy tanteraka i Kristy. Hiram-piravoana no ataon’ny anjely ary faly Andriamanitra sy Kristy mahita ireo fanovana mitarika fitoviana amin’Andriamanitra ireo. HAT 40.1