Go to full page →

Toko 148 — Fitiavana Marina HAT 380

Ny fitiavana dia fanomezana sarobidy, izay noraisintsika avy tamin’i Jesôsy. Tsy fihetseham-po ny fitiavana madio sy masina fa fitsipi-piainana. Ireo izay manana ny fitiavana marina dia sady tsy laitra anarina no tsy jamba. Ampianaran’ny Fanahy Masina ho tia an’Andriamanitra amin’ny fara tampony izy, ary tia ny namany tahaka ny tenany. - MYP 435.1. HAT 380.2

Aoka ireo mieritreritra momba ny fanambadiana handanja tsara ny fihetseham-po rehetra sy ny fivelaran’ny toetra rehetra ao amin’ilay olona eritreretiny hiaraka aminy amin’ny fiainany. Aoka ny dingana rehetra mankany amin’ny fanambadiana ho voamariky ny fahamaotinana, ny fahatsorana, ny fahadiovam-po ary ny faniriana lalina hampahafaly sy hanome voninahitra an’Andriamanitra. Ny fanambadiana dia misy fiantraikany amin’ny fiainana eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny tontolo ho avy. Ny Kristianina tso-po dia tsy hanao drafitra tsy ankasitrahan’Andriamanitra. - MYP 435.2. HAT 380.3