Go to full page →

Toko 149 — Ny Fomba Diso Hisakaizana HAT 382

[AVY AMIN’NY FANANDRAMAN’NY TENA MANOKANA.] HAT 382.1

Ny tsy fahampian’ny fijoroana ho hentitra sy ny fandavan-tena ao amin’ny toetranareo dia olana goavana mba hahazoana fanandramana ara-panahy tena marina. Tokony hokolokoloina ny fijoroana ho entitra sy ny fahitsiana. Ireo toetra tsara ireo dia ilaina mba hahazoana fiainana kristianina mahomby. Raha manana fahitsiam-panahy ianareo dia tsy ho voasarika hiala amin’ny marina. Tsy misy zavatra afaka hanala anareo amin’ilay lala-mahitsin’ny adidy; ho mahatoky sy marina amin’Andriamanitra ianareo. Ny fitarainan’ny fitiavana, ny fitalahoan’ny fisakaizana, dia tsy hisarika anareo hiala amin’ny fahamarinana sy ny adidy; tsy hataonareo sorona amin’ny fironana ny adidy. - MYP 437.1 . HAT 382.2

Manao fahadisoana ianao, ranadahiko, raha toa ka mikasa ny hampiray ny fiainanao amin’ny zatovovavy mbola tsy ampy fanandramana amin’ny fiainana, izay tsy nobeazina ho amin’ny andraikitra mahazatra sy ilaina andavanandro; kanefa dia kely izany tsy fahampiana izany raha oharina amin’ny tsy fahalalany ny andraikiny manoloana an’Andriamanitra. Tsy hoe tsy nahazo fahazavana izy, nanana tombontsoa ara-panahy izy, kanefa tsy nahatsapa ny tena maha-mpanota azy tsy misy an’i Kristy. - MYP 437.2. HAT 382.3