Go to full page →

Ny Hery Miasa Mangina eo amin’ny Fanandramana Ara-Panahy HAT 383

Raha toa ka, ao anatin’ny firedaredan’ny fihetseham-po ianao, kanefa tsy mahavita mamonjy ny fivoriam-bavaka, izay ihaonan’Andriamanitra amin’ny olony, ary miverimberina izany, mba hahafahanao miaraka amin’ny olona izay tsy tia an’Andriamanitra sy tsy miraika amin’ny fiainam-pivavahana, ahoana no ahafahanao manantena fa hitahy izany fiombonana izany Andriamanitra? - MYP 437.3. HAT 383.1

Aza maika. Ny fanambadiana atao maimaika dia tsy tokony hampirisihina. Raha toa ka ny iray amin’ireo zatovo roa no tsy manaja ny zavatra takin’Andriamanitra, tsy miraharaha ny zavatra takin’ny fivavahana, misy ny loza mitatao fa tsy hihaino ny zavatra takin’ny vadiny koa izy. Mampiahiahy ny fahazarana miaraka matetika amin’ilay olona nofidinao kanefa dia nataonao sorona noho izany ny tombontsoa ara-panahy sy ny oram-bavaka; manomana fahaverezana tsy taka-bidy ianao. - MYP 438.1. HAT 383.2

Mazàna ny mpifankatia no manana fahazarana miari-tory amin’ny alina, kanefa tsy ankasitrahan’Andriamanitra izany, na dia samy Kristianina aza ianareo roa. Ireo ora ireo mantsy dia manimba ny fahasalamana sy mandreraka ny saina hany ka tsy vonona ny hiatrika ny andro manaraka izy, ary manana endrika ratsy. Ry ranadahiko, manantena aho fa hanana fanajan-tena ampy ianao ka hiala amin’io fomba fisarihana sakaiza io. Raha toa ka mitady ny hanome voninahitra an’Andriamanitra ianao dia hamindra amim-pitandremana fatratra. Tokony tsy havelanao hanajamba anao ny fihetseham-po feno fitiavana miredareda hany ka tsy hitanao intsony ireo zavatra takin’Andriamanitra aminao amin’ny maha-Kristianina anao. - TFC, b. 3, tt. 44, 45. {MYP 438.2}. HAT 383.3