Go to full page →

Fikambanana araka ny Tokony Ho Izy HAT 400

Ireo tanora izay tafalatsaka amin’ny fikambanana amin’olon-kafa dia mety hanao izany fiarahana izany ho fitahiana na ozona. Afaka manorina ny hafa, mifampahery, ary ho fitahiana ho an’ny hafa izy ireo, manatsara ny fitondran-tena, ny fironana, ny fahalalana; na koa afaka ny hamela ny tenany izy ireo hanjary ho tsy malina sy tsy mahatoky, ka mety ho hery miasa mangina manimba ny toetra fotsiny no asehony. - YI, 10 Aog. 1899. -MYP 454.2. HAT 400.1