Go to full page →

Ireo Toetry ny Tena Fitiavana HAT 404

Ny fitiavana dia zava-maniry avy any an-danitra. Tsy mafy loha izy; tsy jamba koa. Madio sy masina izy. Kanefa ny filàna voajanaharin’ny fo dia zavatra hafa tanteraka. Ny fitiavana madio dia hitondra an’Andriamanitra amin’ny drafitr’asa rehetra ataony ary hifandrindra tanteraka amin’ny Fanahin’Andriamanitra; ny filana mirehitra kosa dia ho mafy loha, maimaika, maditra, manohitra ny fanakantsakanana rehetra ary hanao ny safidiny ho sampy. - MYP 459.2. HAT 404.1

Amin’ny fitondran-tenan’izay manana ny tena fitiavana dia hiseho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fahamaotinana, ny fahatsorana, ny fahadiovam-po, ny fahamendrehana ary ny fivavahana no hanamarika ny dingana rehetra mankany amin’ny faneken’ny fanambadiana. Ireo izay voafehy tahaka izany dia tsy ho variana amin’ny fiarahan’izy ireo fotsiny, na ho very fahalianana amin’ny fivoriam-bavaka sy ny fanompoam-pivavahana (...) - MYP 459.3. HAT 404.2