Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents

Hafatra Ho An'ny Tanora

 - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ireo Toetry ny Tena Fitiavana

    Ny fitiavana dia zava-maniry avy any an-danitra. Tsy mafy loha izy; tsy jamba koa. Madio sy masina izy. Kanefa ny filàna voajanaharin’ny fo dia zavatra hafa tanteraka. Ny fitiavana madio dia hitondra an’Andriamanitra amin’ny drafitr’asa rehetra ataony ary hifandrindra tanteraka amin’ny Fanahin’Andriamanitra; ny filana mirehitra kosa dia ho mafy loha, maimaika, maditra, manohitra ny fanakantsakanana rehetra ary hanao ny safidiny ho sampy. - MYP 459.2.HAT 404.1

    Amin’ny fitondran-tenan’izay manana ny tena fitiavana dia hiseho ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny fahamaotinana, ny fahatsorana, ny fahadiovam-po, ny fahamendrehana ary ny fivavahana no hanamarika ny dingana rehetra mankany amin’ny faneken’ny fanambadiana. Ireo izay voafehy tahaka izany dia tsy ho variana amin’ny fiarahan’izy ireo fotsiny, na ho very fahalianana amin’ny fivoriam-bavaka sy ny fanompoam-pivavahana (...) - MYP 459.3.HAT 404.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents