Go to full page →

Mijery eo Aloha HAT 407

Mialoha ny hampitomboana ny fianakaviana dia tokony hoheverina raha toa ka manome voninahitra na manala baraka an’Andriamanitra ny fahatongavan’ny zaza eto an-tany. Tokony hikatsaka ny hanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fikambanany izy ireo, hatramin’ny fiantombohany sy mandritra ny taona rehetra ao amin’ny fiainam-panambadiana. Tokony handinika amim-pitoniana izay fiomanana azo atao ho an’ny zanany izy ireo. Tsy manana zo ny hitondra zanaka ho amin’izao tontolo izao mba ho tonga vesatra ho an’ny hafa izy ireo. Manana asa aman-draharaha azo ianteherana ve izy ireo hahafahany manohana ny fianakaviany, mba tsy hahatonga azy ireo ho vesatra ho an’ny hafa? Raha tsy izany dia manao heloka bevava izy ireo amin’ny fitondrana ny ankizy ho amin’izao tontolo izao hijaly noho ny tsy fahampiana fikarakarana sy sakafo ary fitafy. - MYP 462.2. HAT 407.1