Go to full page →

Ny Fifehezan’ny Filàna HAT 407

Amin’izao fotoana haingana sy feno fahasimbana izao dia tsy voadinika intsony ireny zavatra ireny. Tsy manaiky hofehezina intsony ny filan’ny nofo, ary izy no lasa mpitondra, na dia fahosana sy fahoriana ary fahafatesana aza no vokatry ny fitondrany. Voatery hiaina zava-tsarotra sy fanaintainana ary fijaliana ny vehivavy noho ny filana tsy voafehin’ny lehilahy izay mitondra ny anarana hoe ho vadiny — raha ny marina kokoa dia tokony hantsoina hoe mahery setra izy ireny. Miaina fiainam-pahoriana ny reny, miaraka amin’ny ankizy eo an-tsandry saika mandrakariva, mitady ny fomba rehetra hanisiana mofo ao am-bavany sy akanjo ao an-damosiny. Fahoriana toy izany no mameno izao tontolo izao. - MYP 462.3. HAT 407.2

Kely ihany sisa ny tena fitiavana madio sy marina misy. Tsy fahita firy izany. Ny filàna mirehitra no antsoiny hoe fitiavana. Maro ireo vehivavy izay nohararaotina ny fahalemem-panahiny sy ny fahatsarany, satria avelan’ny fifandraisana eo amin’ny fanambadiana hahery setra aminy ilay lehilahy antsoiny hoe vadiny. Hitany ho tena ambany kalitao ny fitiavany ka nampaharikoriko azy. - MYP 463.1. HAT 408.1