Tsy lehilahy tsara na lehibe ireo izay manao ny fandeferana amin’ny filana sy ny firehetana ho tena tsara sy zava-dehibe. Na dia ambony aza ny fiheveran’izao tontolo azy ireo dia ambany toetra izy, ratsy, ary maloto, eo imason’Andriamanitra. Nibaiko ny lanitra mba hosoratana eo amin’ny tarehin’izy ireo ny mariky ny fahavetavetany. Mikasika ny tany, ny amin’izao fiainana izao no mameno ny fisainany. Maneho ny fahambanian-toetrany ny teniny. Nofenoiny faharatsiana ny fony, ary nahavita namafa ny endrik’Andriamanitra teo aminy izy. Nampanginina ny feon’ny fahendrena, nolotorina ny fahaizana mandanjalanja. Tena nitotongana ny maha-olona rehetra vokatry ny fandeferana amin’ny filan’ny nofo. Rehefa avela hofehezin’i Satana ny sitrapo, dia fahavetavetana sy hadalana lalina manahoana moa no tsy hitotonganan’ny olona! Miantsoantso mandrakariva ny saina ny fahamarinana; satria manohitra ny foto-kevitra madio ny fo. — ST, 1 Des. 1881. HAT 49.3