Go to full page →

Toerana Avo Rava HAT 49

Kristianina amin’ny anarana fotsiny ireo izay milaza ny tenany ho mpivavaka nefa tsy mandroso amin’ny fahalalana sy ny fahamasinana. Feno toerana avo rava ireny tempolin’ny fanahy ireny. Famakiam-boky tsy mahasoa sy resaka maivamaivana ary fahafinaretana araka izao tontolo izao, no mameno tanteraka ny saina ka tsy misy intsony hirika hidiran’ny Tenin’Andriamanitra. Fanahafana izao tontolo izao sy fahamaivanana ary rehareha no maka ny toerana tokony ho an’i Kristy ao an-tsaina (...) HAT 49.2