Go to full page →

Toko 16 — Tsy Tompon’ny Tenanareo Hianareo HAT 50

Mandre matetika izao fanontaniana izao isika: Dia tsy afaka manao izay tiako ve aho? Dia tsy afaka mifidy izay lalana tiako ve aho? Dia tsy maintsy milefitra foana ve aho? Dia tsy mba afaka manao araka izay itondran’ny foko ahy ve aho? HAT 50.3

Arakaraka ny tsy anarahanao ny fironan’ny fonao, no hahasoa anao sy ny hafa. Efa nivily ho amin’ny tsy izy ireo fironana anaty, ary nampiasaina ho amin’ny tsy izy ny hery. Nampifandonin’i Satana amin’Andriamanitra ny olona. Miasa hatrany izy hanimba ny endrik’Andriamanitra ao amin’ny olona. Noho izany dia mametra ny teny sy ny asantsika isika. HAT 51.1