Hita fa tokony hohomboana amin’ny hazo fijaliana ireo fironana ho amin’ny ratsy nolovana sy nokolokoloina rehefa maka toerana ao am-po ny fahasoavan’Andriamanitra. Fiainana vaovao ambany fifehezana vaovao no manomboka ao amin’ny fanahy. Izay atao rehetra dia atao ho voninahitr’Andriamanitra. Voakasik’izany asa izany ny anaty sy ny ivelany. Entina eo ambany fanapahan’Andriamanitra ny tena manontolo, vatana, saina, fanahy, hampiasainy ho fiadiana ho an’ny fahamarinana. HAT 51.2
Tsy manaiky ny lalàn’Andriamanitra ny olona araka ny nofo, ary tsy hanaiky velively raha ny ezaky ny tenany irery ihany. Fa amin’ny finoana kosa, izay nohavaozina, dia hiaina isan’andro ny fiainan’i Kristy. Haneho isan’andro izy fa fananan’Andriamanitra. HAT 51.3
An’Andriamanitra ny vatana sy ny fanahy. Nomeny ny Zanany ho fanavotana izao tontolo izao, ary noho izany dia nomena fiainana vaovao isika, fahasoavana hahafahantsika mampivelatra toetra feno fahatokiana. Tamin’ny fanandevozan’ny ota no nanavotan’Andriamanitra antsika, ary dia nomeny fahafahana hiaina fiainana nohavaozina, novàna ho fiainam-panompoana isika. HAT 51.4