Go to full page →

Antsoina Ianao Hanapa-Kevitra HAT 53

Hampidi-doza antsika ny mitaredretra mijery ny tombontsoa ho azo amin’ny fanekena ny torohevitr’i Satana. Midika ho fahafaham-baraka sy fahavoazana ho an’ny fanahy ny mandefitra amin’ny ota; manajamba ny maso sy mamitaka izy, ary handrendrika antsika amin’ny fisehoany mandokadoka. Tsy hahazo antoka ho voaaro amin’ny herin’i Satana isika raha mandeha amin’ny lalany. Tokony harovantsika ireo lalambe rehetra izay azon’ilay mpaka fanahy hidirana ao amintsika. — TFMB, t. 171. HAT 53.3